<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>701</hymn_number>
<title>Ny hiran'ny lanitra tsara tokoa FFPM701</title>
<lyrics>[V1]
 Ny hiran'ny lanitra
 Tsara tokoa
 Sy mahafinaritra, re !
 Henoy izany feon'ny
 olona maro
 izay faly tokoa mihira hoe :
 (Feo 1)
 Haleloia, Amen !
 Haleloia, Amen !
 Haleloia, Amen !
 Haleloia, Amen !
 (Feo 2)
 Ny dera aman-daza,
 sy hery anie
 Ho Anao, ry Zanak'ondry !
 Ny dera aman-daza,
 sy hery anie
 Ho Anao, Anao, Amen !

[V2]
 Toy ny feon'ny rano
 mahery ny hira ataon'ny
 tra-bonjy arý ;
 Manerana ny lanitra
 ny fiderany,
 Fa vita ny adiny mafy tatý,
 Haleloia, Amen ! ..sns.
 Ny dera aman-daza, ..sns.

[V3]
 Tsy mety mangina
 ny hiran'ny lanitra
 Velona mandrakizay !
 Endrey ny fihaonana
 any an-danitra
 sy ny fiainana mandrakizay !
 Haleloia, Amen ! ..sns.
 Ny dera aman-daza, ..sns.</lyrics>
</song>